Lamentations 3

Ny amin’ ny fitondrana alahelo, sy ny fampiononana ataon’ Andriamanitra

ALEFA

1Izaho ilay lehilahy nahita fahoriana tamin’ ny tsorakazon’ ny fahatezerany. 2Izaho no notarihiny sy nampandehaniny ho amin’ ny maizina, fa tsy ho amin’ ny mazava. 3Izaho ihany no asian’ ny tànany mandritra ny andro mandrakariva.

BETA

4Nataony antitra ny nofoko sy ny hoditro, notapatapahiny ny taolako. 5Manorina izay hamelezany ahy Izy ary manemitra ahy amin’ ny zava-mangidy sy ny fahoriana. 6Ampitoeriny ao amin’ ny maizina toy izay efa maty fahagola aho.

GIMELA

7Nofefeny manodidina aho ka tsy afa-nivoaka, nataony mavesatra ny gadrako. 8Ary na dia mitaraina sy minananana aza aho, dia tampenany ny fivavako. 9Vato voapaika no narafiny natampiny ny lalako, naolikoliny ny alehako.

DALETA

10Tonga bera manotrika ahy Izy, ary toy ny liona ao amin’ ny fierena; 11Namily ny alehako Izy, ary noviravirainy aho ka nataony mahatsiravina. 12Nanenjana ny tsipìkany Izy ka nanangana ahy ho toy ny marika hokendrena zana-tsipìka.

HE

13Nampitsatoka ny zana-tsipìkany
Heb zanaky ny tranon-jana-tsipìka.
tamin’ ny voako Izy.
14Tonga fihomehezan’ ny fireneko rehetra aho sady ataony an-kira mandritra ny andro. 15Novokisany zava-mangidy aho ary nobobohany zava-mahafaty.

VAO

16Ary notorotoroiny tamin’ ny sila-bato ny nifiko, sady natsinkasinkasiny tamin’ ny lavenona aho. 17Ary noroahinao tsy hahita fiadanana ny fanahiko, ka efa hadinoko ny tsara. 18Dia hoy izaho: Levona ny faharetako sy ny fanantenako an’ i Jehovah.

ZAINA

19Tsarovy ny fahoriako sy ny fanjenjenako, dia ny zava-mahafaty sy ny rano mangidy. 20Tsaroan’ ny fanahiko indrindra izany, ka mitanondrika ato anatiko izy. 21Izany no ho eritreretiko ato am-poko, ka dia hanantena aho.

HETA

22Ny famindram-pon’ i Jehovah no tsy nahalany ritra antsika, fa tsy mitsahatra ny fiantrany. 23Vaovao isa-maraina izany; lehibe ny fahamarinanao. 24Jehovah no anjarako, hoy ny fanahiko, ka dia hanantena Azy aho.

TETA

25Tsara Jehovah amin’ izay manantena Azy, dia amin’ ny olona izay mitady Azy. 26Tsara ny miandry ny famonjen’ i Jehovah amin’ ny fanginana. 27Tsara amin’ ny olona ny mitondra zioga, raha mbola tanora izy.

JODA

28Aoka hanjokaiky irery izy ka hangina, raha ampitondraina izany. 29Aoka hanohoka ny vavany eo amin’ ny vovoka izy, angamba hisy hantenaina. 30Aoka hanolotra ny takolany ho amin’ izay mamely azy izy ka ho feno latsa.

KAFA

31Fa tsy hanary mandrakizay ny Tompo; 32Eny fa na dia mampahory aza Izy, dia mbola hiantra ihany araka ny haben’ ny famindram-pony. 33Fa tsy sitrany ny mampahory na mampalahelo ny zanak’ olombelona.

LAMEDA

34Ny fanitsakitsahana ny mpifatotra rehetra ambonin’ ny tany ho eo ambanin’ ny tongotra, 35Ny familiana ny rariny amin’ ny olona eo anatrehan’ ny Avo Indrindra, 36Ny famadihana ny adin’ ny olona, dia samy tsy sitraky
Heb jeren’
ny Tompo.

MEMA

37Iza moa no miteny, ka dia mahatonga izany, raha tsy zavatra efa nodidian’ ny Tompo? 38Tsy avy amin’ ny vavan’ ny Avo Indrindra va no ivoahan’ ny soa sy ny loza? 39Koa ahoana no imonomononan’ ny olona mbola velona, fa no tsy aleo misento noho ny amin’ ny fahotany avy
Na: Eny, nahoana no imonomononan’ ny olona, raha mijaly noho ny fahotany?
?

NONA

40Aoka isika handinika sy hamantatra ny alehantsika ka hiverina indray amin’ i Jehovah. 41Aoka hasandratsika amin’ Andriamanitra any an-danitra ny fontsika sy ny tanantsika. 42Izahay efa nanota sy nanao ditra, ary Hianao kosa tsy namela heloka.

SAMEKA

43Nisarona fahatezerana Hianao ka nanenjika anay; eny, novonoinao izahay, fa tsy niantranao. 44Nisarona rahona Hianao, ka dia voasakana ny vavaka. 45Nataonao tahaka ny fakofako sy ny zavatra nariana teo afovoan’ ny firenena izahay.

PE

46Ny fahavalonay rehetra misanasana vava aminay. 47Mahavoa anay ny tahotra sy ny lavaka ary ny fandringanana sy ny fahatorotoroana. 48Rano mandriaka no mijononoka amin’ ny masoko noho ny faharatran’ ny oloko zanakavavy.

AINA

49Ny masoko mandrotsa-dranomaso ka tsy mijanona, eny, tsy misy fiatoana, 50Ambara-pitazan’ i Jehovah ka ho tsinjony any an-danitra. 51Ny masoko mampiditra fahoriana ho an’ ny fanahiko noho ny amin’ ny zanakavavin’ ny tanànako rehetra.

TSADE

52Izay fahavaloko tsy ahoan-tsy ahoana dia nanenjika ahy mafy hoatra ny fanenjika voron-kely. 53Nanjera ahy tao an-davaka famoriandrano izy ka nitady hahafaty ahy sady nitora-bato ahy. 54Mandifotra ny lohako ny rano, ka dia hoy izaho: Maty
Heb Voajinja.
aho ity!

KOFA

55Jehovah ô, niantso ny anaranao tany an-davaka lalina indrindra aho. 56Ny feoko dia efa renao, aza tampenana ny sofinao, raha mitaraina mitady izay mba hiainana kely aho. 57Nanakaiky Hianao tamin’ ny andro niantsoako Anao, ka dia hoy Hianao: Aza matahotra.

RESY

58Tompo ô, Hianao nandahatra ny adiko izay nikasika ny aiko, eny, nanavotra ny aiko Hianao. 59Jehovah ô, hitanao ny fitsarana miangatra natao tamiko, ka mba tsarao ny adiko. 60Hitanao ny famalian-dratsy rehetra ataon’ ireo, dia ny saina rehetra entiny mamely ahy

SINA

61Jehovah ô, efa renao ny latsa ataony, dia ny saina rehetra entiny mamely ahy, 62Dia ny molotr’ izay mitsangana hanohitra ahy sy ny saina ataony mandritra ny andro hamelezana ahy. 63Jereo ny fipetrany sy ny fitsangany, fa ataony an-kira aho.

TAO

64Hovalianao araka ny asan’ ny tànany izy, Jehovah ô. 65Eny, hohamaizininao ny fony, hihatra aminy ny ozonao. 66Henjehinao amin’ ny fahatezerana izy ka haringanao tsy ho etỳ ambanin’ ny lanitr’ i Jehovah.
Copyright information for Mg1865